Nateraka hiombona sy hifandray amin'ny manodidina azy ny olona... raha tsy
izany dia tsy ho "nateraka" izy. Vao teraka izy dia niankin-doha ary
mandra-pahafatiny dia tsy hahavita tena. Mety hihambo ho olona afaka izy saingy
ny fahafahany dia mbola fiankinana amin'ny fijerin'ny hafa ihany. Na ao anatin'ny
fahanginana tanteraka aza izy... dia mbola mifandray ihany satria endriky ny
fifandraisana izany. Fifandraisana ny olombelona, fiombonana sy firaisana. Izany
toetra izany no mahatonga azy tsy maintsy hifanerasera, hiserasera, hila serasera.
Fiainana izany ny serasera... ka manaraka ny onjam-piainana sy ny fivoatry ny
fiainana. Koa amin'izao fivoaran'ny teknolojia izao dia mandray ny toerany ihany
koa ny serasera. Serasera amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana isan-karazany...
fa ny tanjona dia iray ihany, fiombonana sy firaisana.
Tantara
Resadresaka teo antokontanin'ny oniversité anakiray nianarako tany Nairobi
Kenya momba ny mety hifampitam-baovao ho an'ireo Malagasy am-pielezana no fototry
ny serasera. Tany amin'ny taona 1999. Rehefa natao ny fanadihadiana dia efa
nisy ny fitehirizana ny adiresy imailaky ny Malagasy am-pielezana maro nampiasaina
tamin'io fifampitam-baovao io. FBRA sy FBRA2 no anarany. Rava anefa io tamin'ny
volana Jolay 1999. Nipoitra ary ny hevitra hananganana azy indray amin'ny anarana
hoe Serasera Malagasy. Nokarohana ny fitaovana hanampy koa dia nofidina ny eGroups
izay nanolotra izany fitaovana izany maimaim-poana. Ny 3 oktobra 1999 no nisokatra
voalohany ny Serasera Malagasy. Niainga tao Nairobi Kenya ny fitantanana. Nasaina
handray anjara tamin'izany ireo Malagasy rehetra tratra antso. Nampiasaina ihany
koa ilay lisitra hita tao amin'ny takelak'i Tahiry nikarakara ny FBRA2. Nahatratra
800 mahery ny adiresy nasaina tamin'ny voalohany. Ny ankamaroan'ireo adiresy
ireo anefa dia efa tsy nandeha intsony. Vokany dia 300 mahery kely no nanaiky
hisoratra anarana. Nandritra ny telo volana dia mbola nifampitady tamin'ny fitantanana
sy ny sivana isan-karazany. Mbola nosokafana mantsy ny lisitra, izany hoe afaka
manoratra daholo na ny olona hafa ivelany aza. Betsaka ihany koa ireo nangataka
hiala sy nangataka hiditra. Voambolana nalaza tamin'ny FBRA2 ny hoe "mangataka
kintana", izany hoe mangataka mba tsy handray hafatra intsony... dia mbola
notohizan'ireo zatra izany teto amin'ny serasera.
Dia nivoatra tsikelikely ny serasera. Nandritra ny fifanakalozana teo anivon'ny
Serasera anefa dia nandre aho fa misy ihany koa seham-pifandraisana toa ny serasera
niainga avy any Suisse. I Rao no nitantana azy, serasera@caoserv.ch ... ary
toa efa nipoitra talohan'ny Serasera izay niainga avy tao Nairobi ilay izy.
Niezaka niditra tao aho ary nifandray tamin'i Rao sao mety hisy ny fanakambanana
ny Serasera roa tonta. Tsy tanteraka anefa izany satria tsy mitovy, hoy izy
ireo, ny tanjona kendrena. (Io no andikako ny teny hoe cibles samihafa). Koa
dia niara-nisy sy niara-nampiasaina teny ary ny Serasera roa.
Zavatra maro no nifamahofaho tamin'ny taona voalohany nisian'ny Serasera. Teo
ny olana isankarazany izay nila hahakivy. Ny olana pôlitika nisy teo anivon'ny
mpiserasera. Ny tsy fifankahazoan'ny firehan-kevitra. Ny fanaratsiana sy ny
fanambaniana mihitsy aza avy amin'ny Malagasy mitovy rà amin'ny tena.
Maro lavitra koa anefa ireo fankaherezana avy tamin'ny namana mpiserasera. Tsy
vitsy ny fifandraisana niorina. Nanjary nifankahalala ny olona samihafa fihaviana.
Nifanampy sy nitady vahaolana tamin'ireo olana nitranga tao Madagasikara. Tsy
ho voatonona eto ny anarana fa betsaka ny nankahery manokana.
Notohanana tamin'ny fananganana Vohikala (Site Web, araka ny fandikan'i Sahoby)
ny Serasera Malagasy izay notantanako. Nandritra ny herintaona dia nandramana
tamin'ny fampiantranoana ny Serasera ireo mpampiantrano nalazalaza toa ny Free.Prohosting,
VirtualAve. Mbola tsy ampy anefa ny fahaizana teo amin'ny fitantanana ny haitao
koa nitsipozipozy ny Vohikala. Tamin'ny taona 2000 dia napetraka tao amin'ny
geocities.yahoo.com aloha mandra-pitady ny vahaolana. Taorian'izay no nahita
ny Free.fr izay mpampiantrano vohikala maimaimpoana sy mampiasa ireo haitao
vaovao toa ny PHP sy ny MySQL. Ireo haitao ireo dia ahafahana manamboatra takelaka
amin'ny fomba tsotra sy ahafahana mitahiry zavatra maro. Nihanalaza rahateo
izany haitao izany ka maro ny olona nianatra azy. Dia rafitra nianatra izany
koa aho. Ny olana anefa dia avy any Frantsa ihany no ahafahana mahazo ilay Free.fr.
Nanomboka teo ary ny fiaraha-miasa akaiky tamin'i Doc Strange izay nanaiky hikarakara
ny fangatahana ny fampiantranoana ny serasera.free.fr. Nandritra ny herintaona
izany dia tao amin'ny http://serasera.free.fr no niantrano ny Serasera Malagasy.
Taty aoriana rehefa hita fa tokony hanana ny anarana manokana ny Serasera dia
tapaka ny hevitra fa hanofa lohamilina koa dia nalaina ny anarana serasera.org
izay mifanentana kokoa amin'ny sehatry ny fifandraisana sy fikambanana. Nisy
ny vola niala tamin'izany fampiatranoana izany izay mbola isaorana manokana
an'i Doc Strange amin'ny fitantanana azy. Nanomboka tamin'ny volana Aogositra
2002 ary dia nampiantranoin'ny OVH (Frantsa) ny serasera.org.
Ny vohikala serasera.org
Tsy nitsahatra niroborobo ny serasera.org na eo amin'ny lafin'ny isan'ny mpikambana
na eo amin'ny isan'ny takelaka arosony. Naseho sy nohindrahindraina hatrany
ny lanjan'ny Teny Malagasy. Anisan'ireo lohany amin'ny takelaka miteny malagasy
ranoray ny serasera.org. Nezahina notazonina ihany koa ny maha maimaim-poana
ireo zavatra rehetra atolotry ny serasera. Ireto avy ary ny takelaka efa novokarin'ny
serasera.org hatramin'izao fotoana izao.
- http://lisitra.serasera.org : Takelaka misy ny hafatra tahiry izay nitranga
hatramin'izay niandohan'ny serasera. Ity takelaka ity no tena fototry ny serasera.org
hatramin'ny voalohany. Ato no misy ny fidirana handray hafatra sy handefa
hafatra ho an'ny Malagasy mpikambana ao amin'ny serasera.org. Adiresy tokana
serasera@yahoogroupes.fr dia voarain'ny mpikambana 760 mahery ny hafatra (1 oct 2004).
Ny mpikambana ihany no afaka mandefa hafatra amin'io adiresy tokana io.
- http://tononkira.serasera.org : Takelaka nametrahana ireo tononkira malagasy
izay nampidirin'ny mpitsidika ny takelaka. Misy ihany koa ny sary sy ny mombamomba
ireo mpanakanto izay fantatra. Amin'izao fotoana izao dia misy tononkira 1700
mahery sy mpihira 300 mahery voatahiry ao amin'io takelaka io.
- http://namana.serasera.org : Takelaka nosokafana mba hifandraisana sy hihaonan'ny
samy Malagasy. Ny mpikambana (namana) dia afaka mandefa hafatra manokana ho
an'ny namana izay tiany handray izany. Manana boatin-kafatra manokana misy
ireo hafatra nalefan'ny namana ho azy. Afaka mametraka ny sariny sy ny mombamomba
azy ho hitan'ny namana hafa.
- http://forum.serasera.org : Fametrahana dinidinika momba ny lohahevitra
isan-karazany. Adihevitra mikasika ireo zava-mitranga ara-tsosialy, ara-politika,
ara-koltoraly, ara-pinoana, ara-pitiavana sy ny sisa.
- http://chat.serasera.org : Takelaka ahafahana miresaka mivantana amin'ireo
namana hafa.
- http://vetso.serasera.org : Takelaka misy ireo tononkalo sy vetsovetso nosoratan'ireo
namana zary lasa poeta malagasy. Misy tononkalo 800 mahery amin'izao fotoana anoratana izao.
- http://hira.serasera.org : Radio vazo gasy izay ihainoana ireo hira malagasy.
- http://ohabolana.org : Takelaka hanangonana ohabolana (Nosokafana ny 2005)
- http://blaogy.com : Takelaka hametrahanao ny blaogy ho anao (Nosokafana ny 2006)
- http://takelaka.org : Takelaka mitahiry ireo takelaka malagasy rehetra (nosokafana ny 2005)
Mbola hisy hatrany ny ezaka hananganana takelaka hafa miankina amin'ny fotoana
sy ny zava-misy.
Ankoatran'ny takelaka anefa dia efa nisy koa ireo fihaonana isankarazany izay nataon'ny namana
na tao Madagasikara izany na tany ivelany. Fihaonana nifankahafantarana, nieritreretana tetikasa
sy ny sisa... azonao jerena ao amin'ny tahirintsary ireo sary vitsivitsy mirakitra izany fihaonana izany
Ny fitantanana
Tsy vitan'olon-tokana ny fitantanana ireo rehetra ireo. Eo dia eo aloha ireo
mpikambana isan-karazany izay mampiaina ny serasera.org. Raha tsy teo ny mpikambana
dia zary trano haolo ihany ny serasera.org. Fa eo indrindra indrindra ihany
koa ireo namana isan-karazany izay manohana amin'ny lafiny maro na ara-kevitra
izany na amin'ny asa na ihany koa ara-bola. Tsy ho ary ho voatanisa eto avokoa
izy rehetra fa singaniko manokana ireto olona ireto izay miara-miasa akaiky
amiko. - Mpamorona ny serasera.org
- Mpiara-mitantana ankapobeny
- hery (Webmaster sns.) - ds (Mpitantambola sy teknika) - lanto (Mpanampy @ rehetra)
- Mpitantana amin'ny lisitra.serasera.org
- Hery - Lucien R. - Liva Eliasy - Doc.Strange
- Mpiandraikitra mivantana ny Radiovazogasy
- Jean-Marc - Lanto (manampy azy koa McFy sy dd ary ds)
- Mpiandraikitra ny forum
- Ny mandrindra ny forum dia miseho isaky ny lohahevitra ny anarany. Miova matetika izy ireo ka tsy hary ho voatanisa eto.
- Mpiandraikitra ny karajia
- lanto (tompon'andraikitra voalohany). Otronin'ireo namana maro be mpandrindra (ops).
- Miandraikitra ao amin'ny namana.serasera.org
- hery - lanto ampian'i mumu sy ralay
- Ary ireo namana maro izay mbola hiara-miasa aminay...
Ny eo amin'ny fitantanana ara-bola dia mahaleo tena tanteraka ny serasera.org.
Ny zavatra vokarin'ny serasera.org dia maimaim-poana avokoa. Tsy misy vola alaina
amin'ny mpikambana. Misy anefa ireo zavatra ilàna vola toa ny fanofàna
ny lohamilina sy ny fampiantranoana ny serasera.org. Ny hany loharanom-bola
hatramin'izao dia ireo dokambarotra vitsivitsy sendra mba azo sy ny fanomezan'ny
malala-tanana. Raha toa ka misy vonona hanolotra fanampiana dia misy toerana
azo hanaovana izany ao amin'ny vohikala serasera.org na koa mifandray mivantana
amin'ny mpitantana ara-bola (ds na doc.strange@wanadoo.fr). Fanamarihana kely fotsiny : izaho
dia tsy mandray vola raha manome vola ahy mivantana ianareo fa aleo tonga dia alefa any amin'i ds.
Famaranana
Taotrano tsy efan'ny irery ny serasera.org. Matoa nahatratra izay taona
maromaro izay izy dia vokatry ny fiaraha-misalahy eo amin'ny samy Malagasy. Isaorana
avokoa ireo rehetra nifarimbona amin'ny haharetan'ny serasera.org sy amin'ny
mbola haharetany hanomezana fahafaham-po ny Malagasy tia serasera rehetra. Ankasitrahana
manokana ireo miara-mitoto na dia tsy fantatry ny olona aza. Hivaly 100 sy 1000
heny anie ny vokatry ny hasasaranareo.
"Tsiky dia ampy" Eugene Heriniaina.
|