Handray hafatra

Raha toa ka te handray hafatra ianao dia azonao apetraka eto ambany ny adiresinao





Tahirintsary


Serasera 2000

Fanazavana fohifohy PDF Printy Imailaka
Nosoratan'i hery   

Ny lisitra.serasera.org dia toerana ahafahanao mifandray amin'ny Malagasy maro manerana firenena maromaro amin'ny alalan'ny email. Fifampizarana vaovao, fangatahana fanazavana, dinika malalaka, ary ireo rehetra ireo dia atao amin'ny alalan'ny adiresy tokana serasera@yahoogroupes.fr.

Ahoana no fomba hifandraisana?

Azo atao amin'ny alalan'ny email manontolo ny fomba fifandraisana eto amin'ny lisitra.serasera.org. Ireto ambany ireto ny adiresy ilaina.

Miditra ho mpikambana: serasera-subscribe@yahoogroups.com
Mandefa hafatra: serasera@yahoogroups.com
Manala anarana: serasera-unsubscribe@yahoogroups.com
Ny mpandrindra: serasera-owner@yahoogroups.com

Rehefa mpikambana ianao ka mandefa hafatra ho an'ny adiresy serasera@yahoogroups.com dia voarain'ny mpikambana rehetra ny taratasy alefanao.Azo jerena ao amin'ny http://groups.yahoo.com/group/serasera ny hafatra rehetra izay efa nandeha hatramin'izay niandohan'ny Serasera izay.

Fitsipika fohifohy

Maimaim-poana tanteraka ny fidirana ao amin'ny lisitra.serasera.org. Iangaviana kosa anefa ianao hamaky tsara ity fitsipika ity alohan'ny hidiranao ato amin'ny serasera.

  • Ny fahendrena malagasy hatrany no ifampifehezantsika tsirairay ato anatin'ity lisitra ity. Noho ny fitsinjovana ny tsirairay anefa dia napetraka ireto fitsipika vitsivitsy ireto.
  • Iezahana atao amin'ny teny MALAGASY ranoray ny hafatra alefa eto. Ezaka io mba hamelombelomantsika hatrany ny tenim-pirenentsika.
  • Teny mendrika sy feno fifanajana no ifandraisana. Noho izany dia tsy ekena ny fisian'ny fifamaliana ara-poko sy firazanana, ara-pinoana ary ara-pirehan-kevitra.
  • Hafatra natao ho an'ny rehetra ny hafatra alefa eto. Tsy ekena noho izany ny fanoratana ho an'olona manokana na famaliana taratasin'olona manokana.
  • Tsy azo atao ny mampiditra dokam-barotra handraisam-bola ao anatin'ny hafatra alefa raha tsy misy alalana manokana avy amin'ny mpitantana.
  • Azon'ny mpandrindra ny lisitra esorina tsy ho mpikambana tsy misy fierana ny mpikambana minia tsy manaja ny iray na maro amin'ireo fitsipika ireo.
  • Ho fiarovana ny fiaina-manokan'ny mpikambana dia tsy hisy hahalala ny adiresy mazava sy anaran'ny mpikambana afatsy izay maniry hanolotra izany.
  • Namboarina tsy ho azo andefasana tovana (attachement) eto amin'ny Serasera noho ny fihanaky ny bibikely (virus) amin'itony lisitra itony. Izany dia mba ho fiarovana ny mpikambana tsirairay. Raha toa anefa ka tena mila mandefa izany ny mpikambana dia afaka manoratra aty amin'ny mpandrindra ny lisitra hahazoana mandinika izay azo atao.
  • Ny mpikambana vaovao rehetra dia voasivana daholo...
  • Ireto fitsipika vitsivitsy ireto dia mety hiova arakaraka ny toetr'andro.

Eugene Heriniaina