|
Nosoratan'i hery
|
|
Ny lisitra.serasera.org dia toerana ahafahanao
mifandray amin'ny Malagasy maro manerana firenena maromaro amin'ny
alalan'ny email. Fifampizarana vaovao, fangatahana fanazavana, dinika
malalaka, ary ireo rehetra ireo dia atao amin'ny alalan'ny adiresy
tokana serasera@yahoogroupes.fr.
Ahoana no fomba hifandraisana?
Azo atao amin'ny alalan'ny email manontolo ny fomba
fifandraisana eto amin'ny lisitra.serasera.org. Ireto ambany ireto ny
adiresy ilaina.
Miditra ho mpikambana: serasera-subscribe@yahoogroups.com
Mandefa hafatra: serasera@yahoogroups.com
Manala anarana: serasera-unsubscribe@yahoogroups.com
Ny mpandrindra: serasera-owner@yahoogroups.com
Rehefa mpikambana ianao ka mandefa hafatra ho an'ny
adiresy serasera@yahoogroups.com dia voarain'ny mpikambana rehetra ny
taratasy alefanao.Azo jerena ao amin'ny http://groups.yahoo.com/group/serasera
ny hafatra rehetra izay efa nandeha hatramin'izay niandohan'ny Serasera
izay.
Fitsipika fohifohy
Maimaim-poana tanteraka ny fidirana ao amin'ny
lisitra.serasera.org. Iangaviana kosa anefa ianao hamaky tsara ity
fitsipika ity alohan'ny hidiranao ato amin'ny serasera.
- Ny fahendrena malagasy hatrany no ifampifehezantsika
tsirairay ato anatin'ity lisitra ity. Noho ny fitsinjovana ny tsirairay
anefa dia napetraka ireto fitsipika vitsivitsy ireto.
- Iezahana atao amin'ny teny MALAGASY ranoray ny hafatra
alefa eto. Ezaka io mba hamelombelomantsika hatrany ny tenim-pirenentsika.
- Teny mendrika sy feno fifanajana no ifandraisana.
Noho izany dia tsy ekena ny fisian'ny fifamaliana ara-poko sy firazanana,
ara-pinoana ary ara-pirehan-kevitra.
- Hafatra natao ho an'ny rehetra ny hafatra alefa eto. Tsy ekena
noho izany ny fanoratana ho an'olona manokana na famaliana taratasin'olona manokana.
- Tsy azo atao ny mampiditra dokam-barotra handraisam-bola
ao anatin'ny hafatra alefa raha tsy misy alalana manokana avy amin'ny
mpitantana.
- Azon'ny mpandrindra ny lisitra esorina tsy ho mpikambana
tsy misy fierana ny mpikambana minia tsy manaja ny iray na maro amin'ireo
fitsipika ireo.
- Ho fiarovana ny fiaina-manokan'ny mpikambana dia tsy
hisy hahalala ny adiresy mazava sy anaran'ny mpikambana afatsy izay
maniry hanolotra izany.
- Namboarina tsy ho azo andefasana tovana (attachement)
eto amin'ny Serasera noho ny fihanaky ny bibikely (virus) amin'itony
lisitra itony. Izany dia mba ho fiarovana ny mpikambana tsirairay. Raha
toa anefa ka tena mila mandefa izany ny mpikambana dia afaka manoratra
aty amin'ny mpandrindra ny lisitra hahazoana mandinika izay azo atao.
- Ny mpikambana vaovao rehetra dia voasivana daholo...
- Ireto fitsipika vitsivitsy ireto dia mety hiova arakaraka
ny toetr'andro.
Eugene Heriniaina
|